NY MOMBA NY REAFMRC (REGIONAL EASTERN AFRICA FIRE MEANAGEMENT RESOURCE CENTER)
Andraikitry ny REAFMRC
Ny ivotoeram-pitantanana ny afo ao amin'ny faritra Atsinanan’ny Afrika (REAFMRC) dia misahana ny fanomezana, fitahirizana ary fandikana ireo vaovao siantifika sy ara-teknika ary ireo angona avy amin’ny sarin-janabolana momba ny afo ara-potoana sy hatrizay ho an’ireo firenena any amin'ny faritra atsimon'i Sahara, indrindra fa aty Afrika Atsinanana. Ankoatra izany, ny ivotoerana dia mandray anjara amin'ny fampifandraisana akaiky ireo sampana mpanara-maso ny doro ala mba hahazoana vaovao fanairana mialoha ny mety ho toetry ny afo, ny loza ateraky ny afo ary ny fanaraha-maso ny faritra may. Noho izany, ny REAFMRC dia :
- Mamoaka, mitahiry, mandika ary manaparitaka ireo angon-kevitra ara-siantifika, ara-teknika sy ireo angona avy amin’ny sarin-janabolana ara-potoana sy hatrizay.
- Mandamina fifampidinihana izay mikendry ny hanairana sy hampiroborobo ny fiaraha-miasa eo amin'ireo mpanapa-kevitra avy amin'ny sehatra rehetra mifandraika amin'ny fomba fitantanana ny afo amin’ny faritry ny endrin-tontolo ho toy ny fepetra takiana amin'ny fampiharana ny politikam-pirenena momba ny fanajariana ny tany sy ny tontolo iainana.
- Manampy amin’ireo fiofanana avo lenta momba ny fitantanana ny afo miaraka amin'ny fampiharana eny antsehatra ho an'ireo matihanina miasa amin'ny andrim-panjakana manana andraikitra amin'ny fitantanana ny afo eo amn’ny faritry ny endrin-tontolo na ny fampihenana ny loza mety hitranga (hitatao/hiseho).
- Manampy ireo manampahefana eto antoerana amin'ny fifandraisany amin'ny firaisamonim-pirenena sy ny fandraisany anjara mavitrika amin'ny fisorohana ny doro ala sy ny fampihenana ny loza mety hitranga (hitatao/hiseho), indrindra eo amin'ny fiaraha-monina eo an-toerana.